"Firenena vao antsagana ary ve ity Madagasikara ity"
Richard Razafindrakoto
-----------------------------------

Elabakana
---------------------------
Odiaina
Compagnie Rary
Elabakana
Tafasaraka tampoka teo ny lalana e !
tafasaraka tampoka teo ny lalana
Fa tao anelanelany tao nisy sampanana e !
Ianao manohy any amin'ny mandrakizay
Efa mandry ampiadanana
Tapatapaka ity ny ankalana
Rovidrovitra teo ilay lambanana
Lamba mena sy lamba landy sisa no hikambanana
ny hira nihifanaovana aza zary lasa kopakopa-tanana
Ny lanitra manga nanjombona toa mosarena avana
Tafasaraka tampoka teo ny lalana e !
Tena tafasaraka tsy nampoizina teo ny lalana
Fa tao anelanelany tao nisy hifandaozana
Tsy mitovy ny ratram-po ny mpandao sy ny laozana
Fa very aho very namana
Raha very anao very fihavana
Ny diavolana naratra tao aorinan'ilay fenomanana
Ny lanitra manga nanjombona toa mosarena avana
Maso mena manganohano
Mipitrapitra fa mba tantano
toa mason-jaza manganohano
Miandry ilay mpitatara angano
Karakaina ka mila rano
Tsy mety voky fa mba fahano
Ny alaelo anao efa mahamamo
Nanjombonjombona ny teny Antsampandrano
Izany anie no niantsoko anao tamin'iny ifampizara ny alahelo sy ny mangirifiry
Izany anie no niantsoko anao impiry impiry
Aotran'ny eo ihany nefa any ambadika any manao tohivakana
Mampifandray ny eto sy ny any
Tendry lavitrn'ny fo, tendry lavitrin'ny maso
Dia mahandrasa lohataona raha hamafa ranomaso
Fa efa vitanao sary, efa vitanao ny loko
vitanao tsara, vaotahiry tato am-poko tsy nisy nahasakana
Fa hary elatra ilay vakana
Tsy mbola lany kay ny kintana kintana miaro ny mpanazary
Ireo mpanao hatsarana ny mpamosakan'ny ho avy
Ny mpapihavana
Fa volamena latsakam-bovoka ka tsy hitan-doto
ilay Richard Razafindrakoto
Efa tonga any amin'ilay tontonlo manambina izy fa tsy mba manoto
Maso mena manganohano
Mipitrapitra fa mba tantano
toa mason-jaza manganohano
Miandry ilay mpitatara angano
Karakaina ka mila rano
Tsy mety voky fa mba fahano
Ny alaelo anao efa mahamamo
Nanjombonjombona ny teny Antsampandrano
Tsy manahy tsy maninona
Soavadia dia ambinina
Fa lohataona sy ririnina
Tsikinao raika, teninao raika
Efa feno hasina, mandroso hasina, Mandrarihasina
Fa volamena latsakam-bovoka ka tsy hitan-doto
Efa tonga any amin'ilay tontonlo manambina izy fa tsy mba manoto
Aotraotran'izay izany ilay Richard Razafindrakoto
Olombelo Ricky